Fantina sy fintina

Mila atao am-pahamatorana ny fikaonandoham-pirenena mba tsy hiverenan’ny krizy, araka ny fanambaran’ny FFKM, omaly. Nambaran’izy ireo fa tanjona ny fanavaozana ifotony ka tokony hatao am-pahamatorana sy am-pitandremana izany.
Nankahery ny FFKM ny filoha, ny Kly Randri­anirina Michaël, amin’ny fanabeazana ara-panahy sy fitaizana ny mpino. Nisaorany koa ny fitarihana ny fikaonandoha ho tombontsoan’ny firenena. Tsiahivina fa niatrika ny fotoam-bavaka ho an’ny firenena tetsy amin’ny Trinite Masina Avaratranjoma, ny tenany, afakomaly.
Nisy fiovana be ny eo anivon’ny Antenimie­rampirenena amin’ny fahavitrihana mivory sy hatrany anaty asam-baomiera, araka ny nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly.
Efa any Addis Abeba, ny herinandro teo, ny ambasadaoro Paraina Auguste. Hanatanteraka iraka nankinin’ny fitondrana aminy izy. Nisaotra ireo masoivoho avy ao amin’ny faritra Afrika Atsinanana ny tenany ary nisaotra koa ireo mpiara-miasa aminy nampihodina ny masoivohontsika ao amin’ny Vondrona afrikanina, tsy nisy ambasadaoro efa an-taonany maro.

Partager sur: