Indray mijery

Ho an’ny fandraisana mpiasa 356 eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, mizara toy izao ny sokajy : mpampiofana 220, mpiasa ara-pitantanana sy ara-teknika 136. Efa nanomboka ny alatsinainy teo ny fametrahana ny antontan-taratasy ary ny 22 jolay ho avy izao ny daty farany fametrahana izany. Eny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Bâtiment E, ao amin’ny Complexe Scolaire Ampefiloha no hanaterana izany.

Notanterahina teny amin’ny UniPod Tsimba­zaza, tamin’ity herinandro ity, ny fanolorana ny zava-bitan’ny sehatry ny fikarohana ara-tsiansa nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izay notarihin’ny fitaleavana ankapoben’ny Fikarohana ara-tsiansa. Anisan’ireo zava-bita ny famolavolana ny sarintanin’ny karazam-bary eto Madagasikara ho fampandrosoana ny fambolena, ny fametrahana ny UniPod hanohanana ny haivao sy ny fandraharahana. Eo koa ny fanaovana tombana sy fijerena ny zava-misy tamin’ireo ivontoeram-pikarohana sivy ao amin’ny minisitera. Manampy izany ny fandrafetana boky mampivondrona ireo sekoly doktoraly manerana an’i Madagasikara ary ny famoahana ny laharana voalohany amin’ny “Revue scientifique de Madagascar”, iarahana amin’ny CIDST.

Partager sur: