Fanavaozana ny fitsarana : Lehibe sy maika ny amin’ny ady tany

Amin’izao fitondrana Fanavaozana izao, miroso amin’ny fanavaozana koa ny tontolon’ny fitsarana. Natao teny Ivato, omaly, ny fivoriana, atrikasa, ho amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fitsarana.

Tanjona amin’izany ny handinihina sy hamaritana ary hametrahana izay laharam-pahamehana amin’­ izay fanavaozana ilaina sy andrasana. Ho amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny rafi-pitsarana izany. Eo koa ny famerenan-kasina ny fitsarana ho amin’ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny fitsarana.
Anisan’ny lohahevitra sy fanamby nodinihina tamin’ny dinika’asa àry ny amin’ny ady tany. Eo koa ny momba ny porofo entina eo anatrehan’ny fitsarana amin’ny raharaham-pitsarana, ny amin’ny tsy fandriampahalemana… Mbola anisan’ny fototry ny disadisa eny anivon’ny fiarahamonina eto Madagasikara ny ady tany, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fani­rosoa. Noho izany, ilaina ny fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo minisitera voakasika momba izany. Miara-dalana amin’izany ny fahefana mpanao lalàna, hanamafisana ny rafitra ara-dalàna mafy orina sy mahomby.
Olana ny tsy fandriampahalemana

Nohamafisiny ihany koa fa mbola fanamby lehibe ny amin’ny fitantanana sy ny fanombanana ny porofo eo anivon’ny fitsarana amin’ny raharaham-pitsarana. Anisan’ny mahatonga ny fihemorana na fahataran’ny raharaha izany. Ankoatra izany, mbola olana lehibe ho an’ny vahoaka koa ny tsy fandriampahalemana. Noho izany, antenaina hitondra vahaolana azo ampiharina ny dinik’asa mandritra ny hadimiana. Mba hahazoana fitsarana mahomby sy mahaleo tena ary manakaiky kokoa ny filan’ny olom-pirenena izany.

R. Nd.

Partager sur: