FANTINA sy FINTINA

Tsy mazava sy tsy ampy ny hizorana amin’ny fanavaozana, araka ny nambaran’ny mpandalina politika, Raveloson Constant. Niaiky ny tenany fa tena nampandehanina ny firenena tamin’ireny jiro sy rano ireny. « Olana sy lesoka anefa ny tsy nanatanterahana ny tena fanavaozana ny Repoblika », hoy izy.
Tsy misy faritra tokony havela ho diso aoriana amin’ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny RDS, Andrianirina Fetison. Nambarany fa tsy tokony hifantoka amin’ny toerana vitsivitsy ihany ny fananganana orinasa sy ny famokarana. « Tokony hivoatra araka ny mampiavaka azy ny faritra rehetra », hoy izy.
Nambaran’ireo minisitry ny Filaminana fa endrika fanakorontanana niniana natao hanaratsiana endrika ny fanjakana ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny. « Niova ho paikady mihatra mivantana amin’ny ain’ny olom-pirenena izany, toy ny halatra varira, hala-jaza, vono olona, ary fanafihana mitam-piadiana », hoy izy ireo.
Nisokatra omaly ary hatramin’ny 11 aogositra 2026, ny fandraisana kandidà ho tale jeneraly vaovao eo anivon’ny Samifin, araka ny nambaran’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI). Tsiahivina fa ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, no nisahana izany teo aloha ary misahana vonjimaika izany kosa ankehitriny Razanamanana Haja Lalao.

Partager sur: