“Mipetraka tsara ny fifandanjana eo amin’ny lahy sy ny vavy: efatra lehilahy, efatra vehivavy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotonarivo Thierry, teny Anosy, omaly, taorian’ny fahavitan’ny fianianan’ny mpikambana farany izay solontenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny birao maharitra, i Anne Raymonde, teny amin’ny fitsarana tampony. Roa, mazava tsara ny maha zava-dehibe ny fandraisana ny fianianan’ny mpikambana farany eo anivon’ny birao maharatry ny Ceni. Voalohany, feno tanteraka ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni. Faharoa, midika izao fahafenoan’ny mpikamban’ny birao maharitra izao fa afa-miasa zato isan-jato ary andrimpanjakana feno ny Ceni, izay nametrahan’ny fitondrana Fanavaozana fitokisana tanteraka. Afa-manatontosa ny fanomanana sy ny fikarakarana fifidianana amin’izay izy ireo. Amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka eto an-toerana na any ivelany izany. “Mahazo matoky ny vahoaka malagasy fa hanao ny asany ao anatin’izay fahafenoan’ny mpikamban’ny birao maharitra sy ny fitokisan’ny fitondram-panjakana azy izay ny Ceni amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana fifidiainana”, hoy izy.
R. Nd.




