FANTINA sy FINTINA

Mijoro hatrany ny HVM manoloana ireo fihe­tsika miendrika fandrahonana manohintohina ny demokrasia, araka ny fanambaran’izy ireo. «Miaro ny fahalalahana maneho hevitra izahay ary manohitra ny fihantsiana sy ny fandrahonana mifanohitra amin’ny soatoavina… Manohana sy mankahery ny mpitondra amin’ny ezaka ataony», hoy ny fanambarana.

Efa mihatra mivantana amin’ny aina ny fanakorontanana ka hisy ny fepetra ho raisina, araka ny nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Erick Michel. Nohitsiny fa tsy azo ekena izany. «Nisy ireo efa voasambotra sy hanaovana fanadihadiana tamin’ireo tranga famonoana sy fakana ankeriny teto an-dRenivohitra sy tany Toamasina», hoy izy.

Nahavita ny fianianany, omaly, tetsy amin’ny fitsarana tampony, Anosy, i Anne Raymonde. Mpikambana vaovao, misolo tena ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika eo anivon’ny Ceni. Hiasa avy hatrany amin’izany andraikitra izany ny tenany, manomboka izao.

Nanolotra ny dika mitovy amin’ny taratasy manendry azy ny masoivohon’i Madagasikara ao Afrika Atsimo, Ralambomahay Toavina. Notante­rahina, afakomaly, tany an-toerana, ka nandray izany ny antsoina hoe «Deputy Director General Acting Chief of State Protocol», i Clayson Monyela.

Partager sur: