Madagasikara – ONU : Tsara sy mihamafy ny fifandraisana ho amin’ny fiaraha-miasa

Nanolotra tamin’ny fom­ba ofisialy ny taratasy manendry azy ho so­lontena maharitra an’ny Re­poblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ny sekretera jeneralin’ny ONU, Sem Antó­nio Guterres, tany New York, Etazonia, omaly, ny masoivoho Rahajarizafy Lanto. Ta­min’ny fihaonana, nampita ny fiarahabana avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­po­blikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, izy. Izany dia noho ny fotoana nitantanany ny Se­kretaria jeneraly anivon’ny ONU.
Nandritra ny fihaonana, nambaran’ny sekretera jeneraly, Sem António Guterres, ny fisongadinan’ny toetra sy toerana tsara eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny ONU. Araka izany, nanamafy ny fanoloran-tenan’ny Fikam­banana amin’ny fiaraha-miasa matanjaka mampifandray azy amin’i Madagasikara izy. I Madagasikara, heveriny ho mpanohana mavitrika amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Manamarika dingana vaovao amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny ONU ny fihaonana. Ho amin’ny fanohanana ny laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena izany. Resy lahatra sy naneho ny finoany ny Se­kretera Jeneralin’ny ONU, fa ny fahatongavan’ny ambasadaoron’i Madagasikara eo anivon’ny ONU izao dia hanamafy bebe kokoa hatrany ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ i Madagasikara sy ny ONU. Nangataka ny Masoivoho ihany koa izy hampita ny fiarahabana feno firahalahiana sy fanajana ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: