Nifoha tamin’ny torimasony ny Hery politika mitambatra na HPM. Manameloka ny endri-pihantsiana sy fanankorontanana izy ireo.
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Hery politika mitambatra (HPM), omaly, tetsy Ambatomena. Hentitra izy ireo manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana. «Helohinay amin’ny herinay rehetra ireo fihetsika miendrika fihantsiana sy fanakorontanana na avy ato anatiny na avy any ivelany», hoy ny fanambarana novakian’ny loholona teo aloha, Razaka Robert. Notanisain’izy ireo amin’izany ny vono olona etsy sy eroa, ny hala-jaza, ny doro trano, ny halatra taova, ny fampihorohoroana…
Na izany aza, nankasitrahin’izy ireo ny ezaka ataon’ny fitondrana Fanavaozana anaty fotoana fohy ho amin’ny famahana olona ny jiro sy ny rano, ny fanondrotana karama. Eo koa ny lafiny fitaterana sy ny vidim-bary…
Notsiahivin’ny HPM fa anisan’ny nanasonia ny tondrozotra niarahana amin’ny fitondrana Fanavaozana, nomena ny Sadc izy ireo. Mankahery ny FFKM sy ny rafitra miara-miasa aminy, araka izany, hahatanteraka ny adidy ankinina amin’izy ireo, amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena ity vovonana ity. «Mba ho tonga amin’ny fanorenana ifotony sy ny fanavaozana ny Repoblika isika », hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo fa ao anatin’izany ny hanovana ny rafitra itantanana ny firenena mba hisian’ny fitsinjarana mitovy ny harem-pirenena. Hamafisin’ny HPM koa ny fiverenana an-doharano hananganana dinam-piarahamonina hisian’ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana eto amin’ny firenena. Ao anatin’izany ny demokrasia sy ny hipetrahan’ny fifandimbiasam-pitondrana.
Manoloana izany, niantso ny antoko politika rehetra mitovy hevitra ity vovonana ity mba hikaondoha. «Ilaina ny fametrahana sata ara-politika vaovao, hitantanana ny firenena», hoy ihany izy ireo.
Synèse R.




