TSELATRA

Nidona mafy tamin’ny moto iray notaingenan’olon-tokana ny fiara 4*4 iray marika Mitsubishi, omaly atoandro tamin’ny 2 ora sy 46 minitra. Niseho teny amin’ny lalam-pirenena voalohany Bis, teo amin’ny PK 46+ 900, fokontany Andandihazo, kaominina Tsinjoarivo Imanga,ny loza. Vokany, raim-pianakaviana iray 60 taona nitondra ilay moto naratra mafy ary namoy ny ainy na dia nezahina notsaboina aza. Efa atao andriamaso any amin’ny biraon’ny zandary, Tsinjoarivo Imanga, ny saoferan’ilay fiara niavian’ny loza.
Hazo sarobidy, voamboana 299 isa, saron’ny zandary sy ny mpiasa avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy fampadrosoana lovain-jafy Atsinanana, afakomaly. Tratra tao amin’ny alan’i Tanambao Belampo­na, fokontany Andranovaky, kaominina Andranombolaha, distrika Toamasina II izy ireo. Efa voakapa sy voatrandraka ary napetraka tamin’ny lalana somary maty. Tratra niraka tamin’izany, ny telo lahy nanao izany.

Partager sur: