Fifaninanana afrikanina : Mikasa haka mpilalao hanatevina azy ny FC Rouge

Klioba hisolo tena an’i Ma­dagasikara any amin’ny fia­diana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba, “Coupe de la Confédération Caf”, ny FC Rouge. Araka ny fanadiha­diana natao tamin’ny mpanazatra an’ity ekipa ity, Ratoloja­nahary Fenosoa na ny Coach Feno, omaly, mikasa haka mpilalao miisa fito na valo eo hanatevina azy ireo any amin’ io fifanintsanana afrikanina io ny ekipany. “Tsy afaka mbola mitonona anarana aloha izahay, saingy raha ny toerana, hangalana mpilalao avokoa, manomboka eo amin’ny mpiandry tsatoby hatramin’ny lohalaharana”, hoy ity mpanazatra ity. Efa nilaza izy, ny sa­botsy teo, fa tsy maintsy maka mpilalao hanatevina azy ireo amin’io amboaran’ny Caf io, mba hahafahana miakatra amin’ny dingana lavitra kokoa.
Tsara ny mampahatsiahy fa sambany vao hiatrika lalao afrikanina ny FC Rouge. Vo­nona hanome ny tsara indrindra avy aminy kosa izy ireo.

Hilalao any ivelany …

Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madaga­sikara ka tsy maintsy any ivelany avokoa no hatao ny lalao amin’io fifanintsanana afrikanina io. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba FC Rouge hatrany, mety hatao any amin’ ilay klioba mpifanandrina amin’ izy ireo ny lalao mandroso sy miverina, raha toa ka ma­nana kianja ankatoavin’ny Caf ilay klioba. Nomarihiny kosa fa raha tsy manana ilay mpifanandrina aminy, ka ry zareo no mampiantrano voalohany, mety hatao ao Afrika Atsimo, na any amin’izay kianja akaiky an’i Madagasikara ny lalao. Raha ny fikarohana natao, ho fantatra ny 6 aogositra ho avy izao ny mpifanandrina amin’ity ekipa hisolo tena ny Malagasy ity.

Fitia Randria

Partager sur: