Malagasy mpiangaly bisikileta nalain’ny klioba Faucon Flacq SC – KFC Maurice tamin’ity taona ity, i Houlder Fitahiantsoa Mohamed.
Misongadina tanteraka izy any an-toerana, ankehitriny. Araka ny fanadihadiana natao sy ny vaovao navoakan’io klioba io, omaly, nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana Moka Rangers Challenge, ity Malagasy mpilaravinahitra ity. Nambaran’ity farany fa mbola maro ny fifanintsanana miandry azy, anisan’ny lehibe indrindra amin’ izany ny “Tour de la Réunion”, izay hatao ny 1 hatramin’ny 9 aogositra ho avy izao.
Notsiahiviny koa fa efa maro ireo fifanintsanana nataony tany Maurice. Anisan’ izany ny “Tour de Maurice”. Izay efa vita ny volana jona lasa teo ny hazakazaka tsotra UCI. Ny Grand Prix Riche en Eau 2026 kosa izay notontosaina ny 11-12 jolay teo ary ny Snowy Maiden Race 2026, notontosaina ny 19 jolay teo.
Raha ny fanazavana azo tamin’i Houldre Mohamed, efa nanomboka ny volana mey izy no tonga tany an-toerana. Maharitra herintaona ny fifanarahany amin’ity klioba atsy Maurice ity.
Fitia Randria




