Tsipy kanetibe – «Mondial Junior» : Nivatravatra fiditra ny ekipa malagasy

Tsy nihafihafy fa avy hatrany dia nametraka ny anarany ny Malagasy eo amin’ny
fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026 », sokajy Junior. Nahazo fandresena nandritra ireo lalao ho an’olon-droa, lahy sy vavy, miaraka ny ekipa.

Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja Santa Susanna, Barcelone Espagne, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy junior. Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany, satria nahazo fandresena hatrany teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-droa, lahy sy vavy, miaraka. Nisantatra izany ny fifanintsanana hivoahana vondrona. Fandresena indroa misesy ho an’i Madagasikara. Nandavo an’i Turquie, tamin’ ny isa tery 10 no ho 9, teo amin’ ny lalao voalohany ary nanin­tsana an’i Espagne, mpampiantrano, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2, teo amin’ny lalao faharoa. Nandrafitra ny ekipa malagasy, tamin’ity, i Nomena sy i Elio. Ny lalao nikatrohana tamin-dry zareo Tiorka no hany nananosarotra satria tsy mbola tafiditra tsara ireo mpilalao. Hita mbola niahotrahotra izy mianadahy. Nanampy trotraka azy ireo ihany koa ny hafanana tany an-toerana.
Rehefa afaka anefa izay karazana fanalana tahotra izay, nizotra tsara ny lalaon’izy mianadahy, teo amin’ny fihaonana tamin’i Espagne. Marihina fa “système Suisse” na adim-pamataranandro no ha­naovana ny lalao fifanintsanana.
Tsiahivina fa i Madagasi­kara irery no hany solontena afrikanina miatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Espagne ity. Hitohy anio ny fifaninanana, ka raha tsy miova ny fandaharam-potoana, hanombohana ity andro faharoa ity ny fifaninanana mitifitra “tir de précision”, arahin’ny lalao ho an’olon-telo miaraka, iarahan’ny lahy sy vavy hatrany. Hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny fire­nena kosa ireo tsy tafavoaka vondrona. Haharitra hatra­min’ny alahady ho avy izao ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity.

Fitia Randria

Partager sur: