Faha- 15 taon’ny Orange Money : Nomarihina tamina seho goavana

Tsy navela nandalo fotsiny. Nisy ny lanonana izay naka endrika fampisehoana goavana, nentina nanamarihana ny faha-15 taona nisian’ny Orange Money teto Ma­dagasikara. Notontosaina ny alin’ny zoma teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpa­nakanto nosafidiana tanatin’ny maro, be mpankafy sy araka izay nandrasan’ireo mpampiasa ny Orange Mo­ney, no nifandimby niaka-tsehatra. Nisantatra izany i Samoëla, izay nanesy ireo hira tsy tontan’ny ela sy be mpiandry hatrany isaky ny seho hataony. Tsy nisy iray tsy niarahan’ny mpijery nihira taminy tamin’ireo izay nalahatra. Nandimby azy kosa ry Wada sy Youngs, sy ny mozika nampandihy ny iray lapa. Tsy mifidy tany iadivana, fa dia misy mpanaraka an-dry zalahy ireto hatrany izay toerana alehany. Hain’ny rehetra hatramin’ny farany ny tonon’ny « Badoda », sns. Mora kokoa ny fidiran’i Agrad taorian’izay, namantana sehatra efa folaka sy mpijery efa tao anatin’ny hafanana tanteraka.
Tsiahivina fa nampidirina mba hanamorana ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny Orange Money, 15 taona lasa izay. Nanomboka tamin’ny fandefasana sy fandraisana vola, ny varotra ka hatramin’ny fifanakalozana ara-bola rehetra, tsy mandalo amin’ny vola taratasy intsony izany. Manana tambajotrana Cash point  hatrany amin’ny 50 000 isa ny Orange Money manerana ny Nosy, manamora izay raharaha sy fifanakalozana ara-bola manakaiky vahoaka izay.

Zo ny Aina

Partager sur: