Tontosa soa aman-tsara. Nantsoina ka nanohina ireo mpankafy. Mitoetra ho kolontsaina ny « Manala azy ».
Tsy foana fa nahemotra ny seho. Tsy nampihemotra ireo mpankafy ny « Manala azy » izany, ka vory lanona indray ny rehetra ny tolakandron’ny sabotsy teo, tetsy Antsahamanitra.
Mety nisy avy nanala fanadinana ve tao ? Tsy fantatra. Ny tena azo antoka aloha, olombelona maro efa mifanao fotoana isan-taona, no tonga « hanala azy » satria efa mitoetra hoe kolontsaina ny hetsika. Tao ilay mpanofahofa ny sainam-pirenana hatramin’ny nanombohana ka hatramin’ny fiafaran’ny seho. Ilay andiana mpinamana niaraka nanala bacc tany amin’ny 25 na 20 taona lasa. Ilay rangahy mpankafy mozika mitafy landy. Ilay ranamana mampitovy endrika sy fihetsika amin’ny Olombelo Ricky noho ny fankafizana azy… Ireo no nameno an’Antsahamanitra.
Efa samy mahalala ny hataony isaky ny hira mandeha. Tsy nisy nodinganina ireo hira efa nitoetra 40, 30, 20 taona. Tazana teny an-tsehatra ny tsinombakomban’ny mpitendry efa mandeha tsy voizina. Tsy mifampijery akory i Mendrika sy Miaro Tanjona dia mirindra ny feon’amponga sy ny zavamaneno ravaka rehetra, mampiavaka ny tarika. Ilay fampidiran’i Titi ny zavamaneno tsofina, mifanampy amin’ny vata maroafitsok’i Rivokely, fa indrindra ny feon’angorodaon’i Jahleky. Miavaka eny foana koa isaky ny hira ny feon’i Dina Voakaly, indrindra rehefa anjarany irery.
Misy foana ny fotoana mampihetsi-po rehefa « Manala azy ». Feno kokoa izany tamin’ity, indrindra teo amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Ramy Franck. Niarahan’i Ricky sy i Johanne zanany, ny nihira ny « Vavaka ho anao ry Neny », ka nandona ny fon’ny iray kianja. Fery vao rahateo, ka mendrika an-dRamy Franck ny fanomezam-boninahitra.
Miandry amin’ny taona ho avy indray ireo tsy nahatratra ny fihaonambe. Mbola tsy fantatra kosa ny mahakasika ny « Manala azy Tanora Zokiny » amin’ity taona ity.
Zo ny Aina




