Olona iray voasambotry ny zandary: Zana-tsokatra 45 isa nokasaina haondrana

Voasambotry ny zandary tany anaty ala manakaiky ny fokontany Ianademby, kaominina ambanivohitra Tranovaho, distrikan’i Beloha, omaly ma­raina tokony ho tamin’ny 02 ora sy 30 minitra, ny lehilahy iray, 20 taona. Nikasa hanondrana zana-tsokatra manodidina ny 45 isa, izay biby voasokajy arovana izy. Efa nikasa hivoaka ilay toerana ny tenany niaraka tamin’ireo zana-tsokatra, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana.
Talohan’izao, efa tsikaritry ny mponina nanangona zana-tsokatra maro tao anaty ala io lehilahy io. Nahita izany ny fokonolona ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany izy ireo taorian’ny fahaaisana ny fitarainana ka izao tra-tehaka izao ilay nahavanon-doza. Marihina fa nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary sy ny lehiben’ny ala any an-toerana, ireo “volontaires villageois ary ny T.S.A nahafahana nahazo ny vokatra.
Taorian’ny fisamborana azy, nentina nanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraon’ ny zandary any an-toerana ny tenany. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ ny fanadihadiana ataon’ny Chef Cantonnement ao an-toerana izay misahana ny famotorana. Nalefa any amin’ ny Chef Cantonnement ao an-toerana kosa ireo sokatra miisa 45 tratra teny aminy.

Mino

Partager sur: