Mitohy hatrany ny fahitana fatin’olona alana taova. Omaly maraina, lehilahy iray tokony ho 22 taona no hita faty tany amin’ny 50 metatra miala ny tanàna, ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina sy distrikan’Ikongo. Niboridana tanteraka ny razana ary nivalampatra sy niankohoka teo amoron’ny lakandrano akaikin’ny kirihitr’ala iray. Tovolahy iray handeha hiasa maraina no nahita ny razana nitsirara tamin’ny tany ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny sefo fokontany ao Ambatoharanana sy ny avy amin’ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena nanao ny fanadihadiana. Tonga nizaha ny razana ihany koa ny mpitsabo. Fantatra, nandritra izany, fa efa tsy tao intsony ny taova sasany tamin’ny vatan’ny razana. Toy ny lelany, ny masony, ny fony, ny atiny ary ny tanany havanana. Raha ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana io tovolahy hita faty io. Tsy nisy nahafantarana azy ny razana noho ny fahasimbany. Taorian’ny fanadihadiana rehetra, nanapa-kevitra ny handevina azy io ny fokontany. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ireo nahavanon-doza tamin’ity tranga ity. Mbola andrasana sy iangaviana anatona eny amin’ny fokontany izay manana Havana tsy hita. Hanamarinana raha toa ka ity olona hita faty ity na tsia.
Mino




