Tselatra

Voasambotry ny polisy tao amin’ny banky iray tany Tsianolondroa Fianarantsoa, ny 25 aogositra 2026, ny lehilahy iray 49 taona. Tratra nisoloky amin’ny alalan’ny internet, nisandoka niditra tamin’ny kaonty banky ary tratra nanodinkodim-bola izy io.Nentina eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny polisy ekonomika Matsiatra Ambony izy.
Lehilahy iray mpivarotra rongony any Soama­ha­manina, Tsiroanomandidy, voasambotry ny polisy, ny 28 aogositra 2026 teo. Nahitana fonosana rongony 30 isa, efa voaomana hamidy tao an-tranony. Nentina no­ha­dihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy taorian’izay.
Karohin’ny polisy fatratra ny vehivavy iray antsoina hoe Rasoahary Andoniaina Laurence. Voa­rohirohy tamin’ny resaka vono olona izy, antony hanenjehana azy. Tany Ambohimasina, Ambatondrazaka ny toerana nahitana azy farany. Hiangaviana izay mahafantatra azy na mahalala ny toerana misy azy mba hanatona ny biraon’ny polisy akaiky azy.
Mpangalatra moto iray sy jiolahy iray hafa voasambotry ny polisy tetsy 67 Ha sy Anosibe Mandra­gobato I, ny 26 sy 28 aogositra 2026 teo. Nahatrarana taratasina fiara sy moto maro teny amin’ny iray. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fisafoana kosa ny iray. Izay efa jiolahy raindahiny eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Nentina eny amin’ny SUT Tsara­lalàna sy kaomisarian’i Mahamasina izy ireo.

Partager sur: