Indray mijery

 Manatanteraka asa fanadiovana amin’ny lakandrano « Vallée de l’Est » ao Marais Masay ny ekipan’ny Apipa amin’izao fotoana. « Pelle mécanique » no ampiasaina hanalana ireo fotaka, fako ary tany miangona ao anaty lakandrano mba hanafainganana ny asa. Fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny fahavaratra izao.
Razakamihaja Clarence Lalatiana no voafantina handray anjara amin’ny The Hubert Humphrey Fellowship Program ho an’ny taona 2026. Miantefa amin’ireo mpitarika misongadina eo amin’ny sehatra sy fiarahamonina misy azy ity vatsim-pianarana amerikanina ity. Haharitra herintaona ny vatsim-piofanana ka ao amin’ny UC Davis any California izy no hanamafy ny fahaiza-manaony.
Hotanterahina any Ambanja sy Ampam­pamena, distrikan’Ambilobe, ny hetsika ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ho fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny mponina sy ho fanamafisana ny fisorohana aretina. Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ ny 5 septambra izao ny hetsika.
Mitohy ny fampahafantarana ireo lalàna voarakitra ao anatin’ny Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ataon’ny CUA. Voalaza fa ho an’ny olona tsy ankanavaka ny didy aman-dalàna rehetra. Noho izany, tsy ekena ny fanorenana tsy nahazo alalana, ny famefena lalam-bahoaka tsy misy alalana ary ny fandotoana lalam-bahoaka.

Partager sur: