Nanainga omaly, nihazo an’i Zambia, ny FC Rouge hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona taranja baolina kitra. Tsiahivina fa hifandona amin’ny Red Arrows FC izy ireo ny sabotsy ho avy izao eo amin’ny dingana savaranonando. Miisa 23 ireo mpilalao mandrafitra ny FC Rouge amin’izao lalao hatrehin’izy ireo izao.
Vokatra niavaka eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U20, vehivavy, fihaonana tanterahina any Matsiatra Ambony, ny vitan’ny Pintade avy any Amoron’i Mania. Nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra 93 no ho 44 ny CBB. Toy izany koa ny nandresen’ny EBF ny M2BC Star tamin’ny isa 91 no ho 23.
Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona ny “IHF Trophy”, sokajy “senior”, vehivavy. Hatao ny 29 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra izany. Firenena miisa 6 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Maurice, Comores, Mayotte ary i Seychelles.




