Sombim-baovao

Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba CFFA Andoharanofotsy, omaly, fantatra izao fa anio hariva no hanainga hihazo ny Nosy Maurice, ny delegasiona sy ny mpilalao. Hiatrika ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo klioba izy ireo. Ny ekipan’ny Lijabatho Lesotho moa no hifandona amin’ity ekipa ity.

Hotanterahina any Afrika Atsimo ny lalao roa, mandroso sy miverina, izay hihaonan’ny Barea, vehi­vavy sy ny Bafana Bafana, mandritra ity dingana faharoan’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olym­pika 2028 ity. Hatao ny 9 oktobra ny fihaonana mandroso ary ny 13 oktobra ny lalao miverina.

Mpitsara miisa sivy mianadahy manaraka fiofanana karakarain’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing, etsy Ampefiloha, amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra, hifarana ny zoma ho avy izao ny hetsika. Avy amin’ireo ligy Analamanga, Toamasina, Moron­dava ary Antsirabe ireto mpiofana ireto.

Partager sur: