“Hitolona ho an’ny Malagasy maro…!” Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny taranja tolona ambony torapasika, “Beach Wrestling”, mandritra ny lalao olympika ho an’ny tanora (JOJ) hatao atsy Dakar, Senegal, ny volana novambra ho avy io, Randriatiana Nomenjanahary Francia, 16 taona ao anaty sokajy -45 kilao.
Mialoha io fifanintsanana io, nilaza ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), Ravoloson Mamitiana, fa hiatrika ny fifaninanana atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice ity Malagasy mpikatroka ity, ny 8-19 oktobra ho avy izao. Nomarihiny tamin’izany fa natao hitsapana sahady an’i Francia, ny lalao izay hatrehany any an-toerana. Notsiahivin’ity lehiben’ny FML ity hatrany fa tanora voatsonga nandritra ny fifaninanana nasionalin’ny Beach Wrestling izay natao tetsy Ankorondrano, ny volana jona lasa teo, i Francia.
Hiezaka hampiroborobo sy hampivelatra ity taranja ity eto an-tanindrazana ny Federasiona. Nilaza ny tenany fa amin’ny maha nosy an’i Madagasikara, manana toerana maro hanaovana izany, saingy mila enti-manana ny fitrandrahana an’ireo mpikatroka manan-talenta.
Fitia Randria




