“Can 2027”: efa fantatra ny ankamaroan’ireo voaantso ho Barea

Na mbola amin’ny alakamisy ho avy izao aza vao hivoaka ny anaran’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barea, efa namoaka ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, ny ankamaroan’ireo klioba any ivelany, ny herinandro lasa teo.

«Afaka andro vitsy !». Ny alakamisy ho avy izao no hivoaka ao amin’ny pejin’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea hiatrika ny fifanintsanana “Can 2027”. Araka ny fikarohana natao, efa saika fantatra avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao efa nahazo fiantsoana.
Raha ho an’ny eto an-toerana, nantsoin’i Corentin Mar­tins hanatevina ny Barea ny vodilaharan’ny Disciples FC Vakinankaratra, Rado Be sy Bono. Ho an’ireo milaravinahitra kosa, ry Clement Coutu­rier, US Mendorf D1 Luxem­bourg ; i Bryan Adinany, Debrecen VSC D1 Hongrie; i Eshan Kari, Royal Excelsior Virton D2 Belzika, Randriama­nampisoa Nicolas, Al Merrikh D1 Soudan.
Tsiahivina fa ireo mpilalao ireo izay efa niaraka tamin’ny Barea ny volana jona lasa teo, nandritra ilay fihaonan’i Ma­dagasikara sy i Maroc.

Mpilalao vaovao andrasana
Marihina fa hifandona voalohany amin’i Nigeria ny Barea ny 25 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Godswill Akpabio International Stadium Uyo, Nigeria. Ny 29 septambra kosa, handray an’i Tanzanie, ao amin’ny Stade d’Honneur de Meknès Maroc. Noho ny tsy fahazoan’ny Kianjaben’Imahamasina fankatoavana no anton’izany.
Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana, mpilalao vaovao miisa roa na telo, milalao amin’ny diviziona voalohany any Eoropa no hanatevina ny Barea, mandritra ireo lalao roa ireo. “Mpilalao miisa telo izy ireo, saingy ny roa ihany no nanaiky aloha, hatreto. Mpiandry tsatoby sy lohalaharana no toerana misy azy ireo”, hoy ny loharanom-baovao iray.

Fitia Randria

Partager sur: