Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja mitafon’i Wuhan-Chine, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo, sokajy U23, lahy sy vavy na “Fiba 3X3 U23 World Cup”. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Ankoay Madagasikara, izay ao amin’ny vondrona “C”, miaraka amin’i Lettonie, Ouganda, Tonga ary i Espagne. Raha ny fandaharam-potoana, hiatrika lalao roa avy hatrany ny Malagasy amin’ity andro voalohany ity.
Hisantatra izany ny fihaonana amin’i Lettonie. Aorian’izay, hifanandrina amin’i Ouganda. Miala sasatra ny Ankoay, rahampitso ary ny alakamisy indray vao hiakatra kianja ka mamita ireo lalao roa farany. Hifampitana amin’i Tonga ny maraina ary hikatroka amin’i Espagne ny folakandro. Azo lazaina fa sokajy eo ho eo ihany ity misy ny Ankoay ity. Heverin’ny rehetra fa ho anisan’ireo roa ho tafavoaka ny Malagasy. Hotanterahina ny sabotsy ny lalao ampahefa-dalana ka izay voalohany ao amin’ny vondrona “A” hidona amin’ny faharoa amin’ny vondrona “C”. Ny voalohany sokajy “D”, hihaona amin’ny faharoa sokajy “D”. Ny voalohany “B” hihaona amin’ny faharoa “D” ary ny voalohany “C” hidona amin’ny faharoa “A”. Tsiahivina fa hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity i Taratra sy i Koloina ary i Justine, miampy an’i Elinah.
Tompondaka




