Volley-ball: lasan’ny VBCD sy ny GNVB ny amboara

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja volley-ball, sokajy diviziona faharoa (D2). Ho an’ny vehivavy, lasan’ny VBCD ny amboara nasionaly, rehefa nandavo ny Squad X tamin’ny seta 3 no ho 0, (25,21/25,15/25,21) izy ireo. Marihina fa ny seta voalohany sy ny fahatelo ihany no nahatohitra ny ekipan’ny Squad, porofon’izany, nahazoan’izy ireo isa 21 tamin’ireo seta roa ireo. Teo amin’ny lehilahy indray, norombahin’ny GNVB ny medaly volamena rehefa resin’izy ireo seta 3 noho 2, (17,25/19,25/27,25/25,15/20,18) ny klioban’ny TVBC.
Niady tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta ary ny TVBC no nitarika 2 no ho 0, nandritra ny seta roa voalohany. Efa nihevitra ny maro fa ho azon’izy ireo ny amboara. Nanomboka nanohitra amin’izay ny GNVB ary tsy nanaiky izy ireo raha tsy azony avokoa ny fandresena tamin’ireo seta telo ambiny.
Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, miakatra avy hatrany any amin’ny diviziona voalohany, mandritra ny taom-pilalaovana manaraka, ireo ekipa roa isan-tsokajy nanao famaranana tamin’ity amboara nasionaly ity.

Fitia Randria

Partager sur: