Volana oktobra, volan’ny labiera. Hanamarika ny «Oktoberfest» sy ny fifampizarana hafaliana manodidina izany koa ny eto Madagasikara.
Hetsika mampifandray ny kolontsaina sy ny fialamboly. Marina fa kolontsaina vahiny, saingy efa ankalazaina amina firenena maro ny « Oktoberfest », anisany isika. Tsy ny volana oktobra irery fa hanomboka ny
15 septambra ka hatramin’ny 15 novambra ny hetsika amin’ ity, raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Star, omaly, tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano.
« Hanasongadinana ny fahaiza-manao malagasy amin’ ny famokarana labiera ny hetsika, miaraka amin’ny THB, Gold, Queens, Beaufort ary Fresh. Miaraka amin’izay ireo hetsika isan-karazany toy ny « Camion Tour », « Tour de Peki Bar» ary ny « Star Tour » any Toamasina, izay hetsika lehibe indrindra », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Star.
Homena toerana manokana ny famoronana sy ny zavakanto malagasy amin’ity. Taorian’ny fifaninanana « Ma Beaufort Challenge » taty Afrika, izay nahasarika mpandray anjara mihoatra ny 1 600 isa, anisan’ireo tafakatra tamin’ny dingana famaranana i Nombantsitoha Sarobidy. Hisy, araka izany, ny tavoahangy Beaufort 33cl voaravaka amin’ny sanganasany izay ho hita mandritra ny fotoana voafetra.
Hatao any Toamasina kosa ny andiany farany amin’ny « Star Tour 2026 », ny 24 sy 25 septambra izao. Hanafana sy hanentana ireo roa andro ireo ry Fou hehy, Barhone, Teg ary Legar. Hifandimby amin’ny seho goavana kosa ry Ceis sy Stéphanie, ny sabotsy. Ry Agrad, Tefi sy bob ary Anatal kosa ny alahady.
Zo ny Aina




