Hetsika lehibe ho an’ny hainahandro. Hotontosaina ny 24 hatramin’ny 26 septambra izao ny andiany faha-12 amin’ny « Salon de la gastronomie », eny amin’ny AFT Andavamamba. Hanodidina ireo hanitra samihafa fampiasa sy misy eto Madagasikara ny lohahevitra amin’ity, araka ny nambaran’ireo mpikarakara, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagasikara, omaly. Hanehoana ireo fahaiza-manaon’ny mpahandro sy mpisehatra rehetra amin’ny hainahandro ireo 3 andro ireo. Hanasongadinana ireo vokatra malagasy, akora fampiasa
isan’andro, toa ireo hanitra isan-karazany ihany koa.
Efa fotoana isan-taona ny hetsika. Mivelatra hatrany izany noho ny firoboroboan’ny sehatra, na eto an-toerana na iraisam-pirenena.
Anisan’ny hasongadina manokana ny fahaiza-manaon’ ireo mpanao mofo, mampiasa ireo hanitra isan-karazany. Ho an’ny Chef Patrick Florient, ohatra, fanamby lehibe ho azy izany hatramin’izay nilomanosany tanatin’ny hainahandro izay. Izay fanasongadinana talenta izay no hanohanan’ny Yas ny hetsika.
Zo ny Aina




