Mahavoky Anjanahary: Tovolahy iray maty nihantona tao an-tranony

Tovolahy iray, tokony ho 25 taona, hita faty nihantona tao an-tranony, tetsy Maha­voky, fokontany Anjanahary, omaly maraina. Nipetraka tao amin’ny tranohazo mirefy 1 m sy 2m kely iray izy io. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina eny an-toerana, mbola tazana nivezivezy teny amin’ny manodidina izy, afakomaly. Tsy nahitana olana raha ny fahitan’ny olona azy tamin’izany. Tsy nivoha nefa ny trano nisy azy rehefa tonga ny maraina izay tsapa ho nihidy avy ao anatiny. Voatery nanapitsoka ny varavarana nisy azy io ireo fokonolona ka izy efa nihantona tamin’ny tady tao an-trano no hitan’ny olona. Nampandre ny polisy avy hatrany ireto farany vantany vao nahita ny zava-nisy. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanadihadiana iretsy voalohany niaraka tamin’ny mpitsabo, taorian’izay. Tsy nahitana ratra na vono ny vatany tamin’ny fotoana nahitan’ireo manam-pahefana ny razana. Tombanana ho namono tena sy nananton-tena tamin’ny tady izy, raha ny fanazavana voaray.
Nisy tamin’ireo mponina teny amin’ny manodidina no nilaza fa mety nisy namono ity lehilahy hita faty ity. Tsy mbola voaporofo anefa izany. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: