Anisan’ireo voarohirohy amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy sy ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard ary koa ny minisitry ny Fitaterana teo aloha, Ramonjavelo Valery. Miisa 33 izy ireo, miampy orinasa dimy. Samy voasaringotra amin’izany avokoa.
Efa tamin’ny Repoblika I ny tolona fa mafy kokoa ny tamin’ity. « Fanetriben’ny firenena ilay Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra ary efa nanentananay ny tsy hifidianana izany… Nanomboka ny taona 2009 ny tolona ary hatramin’izao », hoy Ramiaramanana Jean Pierre na i Iada, mpandrindra nasionalin’ny « Front de libération nationale – FNL ».
Nilaza ho efa nahazo ny tsodranon’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, ny Vovonan’ny Fanavaozana (VFM) any Vakinankaratra. Nivoitra izany tamin’ny lahatenin’ny depiote Randriamanampisoa Alfred, tao Antsirabe II. Nankasitrahiny manokana ireo ben’ny Tanàna nisafidy ny hiara-dalana amin’izy ireo.
Efa any Sofia ireo komity mpanomana ny fanamarihana ny 14 oktobra. Anisan’izany ny solontenan’ny fiadidiana ny Fanavaozana sy ny primatiora ary ny avy amin’ny governemanta. Hankalazaina ny 13 hatramin’ny 15 oktobra izany nijoroan’ny Repoblika voalohany izany, nitantanan’ny filoha, Tsiranana Philibert.




