Manokatra varavarana

 

Manomboka misokatra tsikelikely amin’izao fotoana izao ny varavarana ho an’ny ankolafin-kery rehetra te hanohana ny fanavaozana tena izy. Efa hita taratra manodidina an-dry zalahy henjana ny ankamaroan’ny olona niloko ilay volom-boakazo, kanefa voahilika nialoha ny fotoana. Ny tale sasany niova minisitera, ny hafa nahazo toerana tsy lavitra ny mpandoa-bary. Ny madinika niha­ran’ny tsindrihazolena, mahita rirany kely.
Sarotra ny miady hevitra amin’ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao ka hoe hanaratsiratsy ny ekipan’ny kolonely izany. Tena rombotra sy masiaka ny olona. “tsy mbola nihinam-bary isan’andro tsy tapaka tahaka izao izahay”, “mandeha tsara ny asa taxi anay!”,
“Tsy mbola nisondrotra izany ny vidin-tsolika”, sns… izany no vava mitsena vao miana-kendry manakiana ny fitondran’ny Fanavaozana eo.
Raha ny firesaky ny vahoaka madinika, tsy misy iraharahiany izay “afera” na resa-be mahakasika ny mpanao politika izany. Ampy azy ireo rehefa tsy mandrifotsy ny zanany. Raha ny zava-misy ankehitriny, leo fitokonana sy fitakiana aloha ny ankamaroan-dRamalagasy. Tsy eto
an-dRenivohitra fa vao manonona miaramila, velombolo avy hatrany izay mitafatafa sy mifanakalo hevitra. Tena mety amin’izy ireo ilay mpitondra.
Etsy ankilan’izany, manome toky ny mpiasam-panjakana sy ny mpitandro filaminana. Miraradraraka ny fiza­rana galona sy fampiakarana laharam-boninahitra. Midera azy dimy lahy ny ankamaroan’ny polisy, ohatra. Nilaza ho natao ankilabao izy ireo hatrizay. Miandrandra fanatsaram-piainana misimisy kokoa hatrany. Ny mpanala fanadinana, manantena fa tsy hisy intsony ny kolikoly sy ny kitranoantrano!
Asa anefa! Hatraiza ny fetran’ity fitiavana mamy tsy lany laniana ny Fanavaozana avy amin’ny vahoaka ity? Miankina amin’ny tsirairay anefa ny haharetan’izany na tsia! Avy any amin’ny tsirairay ny ezaka voalohany.

r.r

Partager sur: