Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny VFM any Ambatondrazaka. Mitarika izany ny depiote Irmar, voafidy tany an-toerana, Andrianasolo Andrianiaina Jean Patrick. Nanotrona izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Fidèle Razara Pierre. « Manohana ny Kly Randrianirina Michaël ny vahoakan’Ambatondrazaka », hoy izy.
Maniry ny handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Gen Z avy any Amoron’i Mania. Noraisin’i Berija izy ireo omaly naneho fahavononana hanampy ny filohan’ny Fanavaozana hanatratra ireo fitakiana teny an-kianja. « Aoka mba ho iray tsy mivaky ny tanora ary hanambatra ny hery ho an’ny fanavaozana », hoy izy ireo.
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpanorina ny DFP, Ratolojanahary Maharavo (Doudou). Nahitsy ny tenany nilaza fa ilana fiovana lalina ny fomba fanaovana politika eto amintsika. « Tafiditra ao anatin’izay ny lafiny fitantanana sy ny eo amin’ny fiarahamonina. Hapetraka ho tanjona izany », hoy izy.
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko politika Maeva, Raharimamana Mamy, fa diso hevitra ny rehetra raha handeha hihazakazaka ho any amin’ny fikaonandoham-pirenena. « Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy mipetraka eto amin’ny firenena mihitsy aloha ny fitoniana amin’ny lafiny rehetra », hoy izy.





