Nitohy teny amin’ny orinasa Konecta Ambohimangakely ny fandraisan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) fepetra mahakasika ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo faobe, niseho afakomaly. Nogiazana ny vata fampangatsiahana sy ny lakozia fikarakarana sakafo ho an’ny mpiasa. Ny mpikarakara sakafo ho an’ny mpiasa teny Ivandry ihany no nisahana ireo teny Ambohimangakely. Nohidiana tsy ho azo idirana izany toeram-pikarakarana sakafo izany.
Nandray ny fibaikoana, omaly, ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Sava, ny Commissaire divisionnaire de police Gerverin Raelison. Nitohy tamin’ny fitokanana ny birao misy ny Fitaleavam-paritra izany. Tonga nitokana sy nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur général de police, Erick Michel.
Lehilahy miisa efatra voasambotry ny polisy noho ny raharaha halatra moto tany Miarinarivo. Niakatra fampanoavana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo, ny 08 oktobra 2026 lasa teo izy ireo ka notanana vonjimaika any am-ponja. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena ao Itasy amin’ny fikarohana sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.





