TSELATRA

Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana voasambotry ny polisy tao Ambondromamy ka naiditra am-ponja ny zoma 9 oktobra lasa teo. Tsy mionona amin’ny halatra ataony, manolana ny tompon-trano koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny polisy. Niakatra fampanaovana ka voatazona vonjimaika.
Naiditra vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy tsy salama saina, tao amin’ny distrikan’i Morombe, ny zoma lasa teo. Tsy ampy taona raha teo io ankizivavy lasibatra io izay vao 17 taona monja. Niaiky heloka ny nahavanon-doza nandritra ny famotorana azy.
Vehivavy misandoka ho mahatafavoaka olona mihazo an’i Dubai voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobi-paritra Talatamaty, afakomaly. Nangalany vola mitetina 10 tapitrisa Ar ireo olona maniry hiasa any amin’io firenena io. Reseny lahatra fa ho raisiny an-tanana ny mombamomba ny taratasy rehetra. Nanjavona izy taorian’io ka nokarohina.
Hita faty omaly maraina ilay olona iray natelin’ny ranomasina tao Toamasina. Zaza natelin’ny ranomasina tampoka andro vitsy lasa izy. Nokarohina saingy tsy nahitam-bokany. Efa simba ny vatany nandritra ny fahitana ny fatiny io omaly io.

Partager sur: