Tovovavy iray tratra nangalatra finday marika Spark 50 tao amina toeram-pivarotana finday etsy Analakely, omaly. Nilaza fa nentin’ny fanahy izy, nahatonga azy nampiditra ilay finday tao anaty harona plastika teny an-tanany. Nanambara ny mpivarotra fa norebireben’ity tovovavy ity izy ary nanontaniany ny mahakasika ireo kojakoja rehetra miaraka aminy. Efa nataony tao anaty harona anefa ilay finday nandritra izany.
Notanterahina omaly, ny lanonana fandraisam-pibaikoana ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka ao Diana, ny commissaire divisionnaire de Police Moratamby Roger. Naneho ny fahavononany eo amin’ny fitarihana sy ny fandrindrana ny asa fampandriana fahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ao amin’ny faritra Diana ity talem-paritra vaovao ity.
Tafaverina amin’ny tompony ny moto iray nisy nangalatra tany Ambavahaditokana. Tsikaritry ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny birao Loharanombato, ny zoma 9 oktobra 2026 teo ny lehilahy iray nanosika moto. Nandositra tany anaty elakelan-trano ny mpangalatra vantany vao nahita ny polisy. Navelany teo ilay moto. Hita tao ny karapanondro, ny mombamomba ny tompony ary ny taratasin’ilay kodiaran-droa. Efa tafaverina amin’ny tompony ilay moto taorian’ny fanamarinana rehetra.





