Nahemotra amin’ny 10 novambra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana an’ilay mpamily tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra 2026 lasa teo. Raha toa ka tokony ho natao omaly izany. Mbola misy taratasy andrasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ka antony nanemorana ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa olona dimy no namoy ny ainy tamin’ity tranga ity.
Olona iray naiditra am-ponja vonjimaika ary napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny olona roa hafa. Voampanga tamin’ny raharaha fanafihana sy fanolanana niseho teny Ampasika, fokontany Ambohibary, kaominina Alakamisy, distrikan’Anjozorobe, ny alin’ny alatsinainy 5 oktobra, lasa teo izy ireo. Tsiahivina fa olon-dehibe telo no naratra, vehivavy roa voaolana tamin’izany.
Lavon’ny zandary tany Toliara, ny alin’ny 12 oktobra 2026 lasa teo, ny dahalo roa gagilahy amin’ny fanaovana fanafihana mitam-basy. Nifandona tamin’ny zandary ireo tambajotran-jiolahy mpampihorohoro sy mpanao fanafihana rodobe sy milanja basy. Olon-dratsy efa ela nokarohina hatramin’ny ela izy ireo. Nahitana basy roa teny amin’izy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana na dia efa nisy voasambotra aza ny naman’ireto lavo ireto.





