Voasambotry ny polisy ny jiolahy nangalatra moto tao Miadana, kaominina Alasora, afakomaly. Nandositra tany Antsirabe izy taorian’io. Nanao fanarahan-dia ny mpitandro filaminana ka tratra ity mpangalatra ity.
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy sarona nanao asa fanendahana teny Ambohitrarahaba. Vehivavy miisa roa nendahin’ireo olon-dratsy. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tao an-tsena izy ireo ka voasambotra, ny alahady 11 oktobra lasa teo.
Voatoraka antsibe ny fiara iray teo anelanelan’i Mantalimaro sy Anjavimilay, RN5A, omaly maraina. Nikendry ny mpamily ireo olon-dratsy saingy tsy nahavoa azy. Velon-taraina manoloana ny asan-jiolahy
amin’io lalam-pirenena io ireo mponina.
Olona telo naratra nandritra ny fifandonana moto sy fiara mpitatitra iray teny amin’ny RN7, teo amin’ny PK119, tao Andranovory, fokontany Andavabato, kaominina Soamanandrariny, distrika Antanifotsy, ny alatsinainy 12 oktobra teo. Nisongona Sprinter teo alohany ity moto ity kanjo nifatratra tamin’ilay fiara Mazda.





