Fihaonana an-tampony Rosia-Afrika : Miandrandra fampiroboroboana fiaraha-miasa i Madagasikara

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Rosia, fisarihana mpampiasa vola hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra. Eo koa ny hananganana fiaraha-miombon’antoka vaovao amin’ny sehatry ny angovo sy ny teknolojia ary ny fotodrafitrasa. Ireo no anisan’ny andrandrain’i Madaga­sikara amin’ny fiatrehan’ny delegesionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Fanavaoza­na, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny fihaonana an-tampony fahatelo eo amin’i Rosia sy i Afrika. Fihaonana atao any Moscou, Rosia, hanomboka anio ary hifarana rahampitso.
9 000 any ho any ireo mpandray anjara, ahitana mpitondra fanjakana, mpampiasa vola, mpandraha­ra­ha, teknisiani­na, mpikaroka, mpahay siansa… Mahatratra 50 mahery ireo dinika sy adihevitra hatao. Hitarika ny fo­toana ny filohan’i Rosia, Vladimir Poutine, sy ny filohan’ny Vondrona afrikanina, ny filohan’i Burundi, i Évariste Ndayishimiye. Tanjo­na ny hampivelarana ny fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena. Eo koa ny fifanakalozana ara-barotra, ny fampiasam-bola, ny diplaomasia, ny haitao, ny fampiasana ny angovo nokleary… ho amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny fiovana mankany amin’ny niomerika, ny fahavitan-tena ara-tsakafo eo amin’i Rosia sy i Afrika. Hisy ny fanombanana ny asa vita taorian’ny fihaonana tamin’ny 2023. Eo koa ny famaritana vina sy tondrozotra vaovao ho an’ny taona 2027-2029.
Ho an’i Madagasikara ma­nokana, azo lazaina fa mandroso ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy i Madaga­si­kara amin’izao fitondrana Fa­navaozana izao, indrindra taorian’ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy nataon’ny filohan’ny Fana­vaoza­na an’i Rosia, tamin’ny febroary lasa teo.

R. Nd.

Partager sur: