Ady amin’ny tazomoka : Manomboka ny famen­drahana ranom-panafody

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny hetsika famendrahana ranom-panafody miaro amin’ny tazomoka isan-tokan­trano ho an’ny taona 2026. Hanatanteraka izany ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny tetikasa Evolve sy ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny tazomoka (PNLP).
Haharitra roa herinandro ny hetsika, mitety trano, hotanterahina amin’ny distrika efatra izay mbola tena ahitana tran­gana aretina tazomoka betsaka. Anisan’izany ny ao Betafo, Mandoto, Manja ary Ikalamavony.
Tsy tokony hisalasala, araka izany, mampandroso ireny ekipa mamendraka ranom-panafody ireny ny mponina satria mandroaka ny moka tsy ho tamana ao an-tokantrano izany. Miaro ny ankohonana manontolo mandritra ny fotoana ivezivezena ao an-tokantrano. Tokony hatory anaty lay misy odimoka hatrany anefa mandritra ny alina.
Mbola mamono olona maro ny tazomoka eto Madagasi­kara, indrindra amin’ireo distrika sasantsasany, ka mila miaro tena hatrany amin’ny kaikitry ny moka.

Tatiana A

Partager sur: