Loza voajanahary : Nohadihadiana ny fiantraikany amin’ireo marefo

Notanterahina ny fanadihadiana, notohanan’ny UNF­PA, mahakasika ny fiantrai­kan’ny loza voajanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny olona marefo, toy ny vehivavy, ankizy, olona mitondra ny tsimokaretina VIH ary ireo ma­nana fahasembanana. Hama­kafaka ny valin’izany ny minisitera, ny Groupe thématique de référence ary ny mpiray ombon’antoka.
Vitsy ihany ny tahan’ny olona marefo fa tanjona ny hiarovana ny ain’ny vahoaka rehetra ka anisany izy ireo. Tsy maintsy harovana izy ireny hanalefahana ny fian­traikan’ny loza voajanahary amin’ny maha olona, ny fitadiavana, ny fotodrafitrasa
ilainy, araka ny fanazavan’ny talen’ ny Centre d’études, de réfle­xion, de veille et d’orientation (Cervo) eo anivon’ny BNGRC, Rakotonanahary Jean Yves Ravo, omaly, teny Antani­mena.
Nandritra ny fanadiha­diana natao, nalaina ny hevitr’ ireo olona marefo izay tena voakasika voalohany rehefa tonga ny loza. Nofantarina izay tena mavesatra ao ana­tin’ny fotoana fiomanana, mandritra sy aorian’ny fandalovan’ny loza. Harafitra ho vahaolana ireo hahafahana manalefaka ny fiantraikany eo no ho eo, na lavitra kokoa.
Aorian’ny fankatoavana ny tatitra, raisin’ny BNGRC an-tanana ny fanatanterahana azy. Anisan’izany ny fandefasana ny olona eny amin’ny toerana handraisana ny traboina na koa ny fanesorana mialoha azy ireo amin’ny toerana mampidi-doza, ho fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) izay nahazoana fitarainana.

Vonjy

Partager sur: