Efa ho 50 taona nambolena ny zavamaniry orge ny tantsaha any Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Vanim-potoana fanangonam-bokatra izao. Very hevitra sy miahiahy anefa ny tantsaha satria mihena ny vokatra raisin’ny orinasa Malto. Na izany aza, miezaka manamaivana ny fiantraikan’ izany ity orinasa ity.
Nihena ho 1 600 ha ny velaran-tany ambolena, amin’ izao taom-pambolena 2026 izao, raha 2 200 ha tany aloha, araka ny tatitry ny tantsaha. Nihena 25% ny isan’ny mpamboly, lasa 15 000 ny taona 2026, raha 20 000 ny taona 2025. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Rémi, tantsaha any amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Ambano, distrika Antsirabe II, fa « nihena ny vokatra, satria raha mamboly amin’ny velarantany 5 ara (500 m2), ahazoana orge 80 kilao tany aloha, nihena ho 52 kilao izany, ankehitriny. Izany hoe, mihena koa ny fidiram-bolanay. Ratsy ny kalitao, sady misy mangalatra koa ny vokatra eny an-tsaha. Voatery mitombo ny masonkarena, hiambenana ny tanimboly ».
Miantso ny tomponandraikitra
Nanamafy izany Ramatoa Vololona, tantsaha any Ambano, Antsirabe II ihany koa, nilazany fa « mila fanavaozana tanteraka ihany koa aty ambanivohitra. Koa, mitaraina amin’ny ben’ny Tanàna, indrindra ny solombavambahoaka, hatrany amin’ny tomponandraikitra ambony, hijery akaiky ny fandriampahalemana aty ambanivohitra ».
Njaka A.





