Poa-basy teny Manarintsoa : Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny

Maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava (BC)
sy Sag ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana, teny amin’ny fokontany Manarin­tsoa, boriborintany voalohany, ny alin’ny talata 28 oktobra teo. Mpiray tsikombakomba tamin’i Kelindaty, ilay jiolahy nitifitra ka nahafaty mpandraharaha iray teny amin’ny tse­nan’­Anosibe ity lavo ity. Mpiara-manao fanafihana mampiasa fitaovam-piadiana an-dry Kelindaty sy ny namany izy, araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny polisim-pirenena. Nakarina natao fanadihadiana teto Antananarivo i Kelindaty rehefa voasambotra tany Betroka, ny herinandro lasa teo. Natao famotorana izy ka nitoroka ny namany. Nidina ifotony tamin’ny toerana misy ireo olon-dratsy hafa karohina ny polisy. Voasambotra ny lehilahy iray ary nahatrarana basy teny aminy. Mpamatsy fitaovam-piadiana ity tratra ity. Lehilahy iray hafa voalaza ho nihazona basy marika Maka­rov nisitrika tao Manarintsoa. Miovaova trano fonenana io jiolahy io ka nitady azy ny ekipan’ny polisim-pirenena na­nomboka ny alatsinainy 27 oktobra teo. Nanoro ny toerana misy ny namany ilay jiolahy mpamatsy basy, izay efa voasambotra. Nipoitra ilay olon-dratsy nokarohina, ny alin’io talata io, tamin’ny 10 ora. Na­napoaka basy avy hatrany izy. Nanararaotra nandositra ilay jiolahy nitari-dalana ka lavon’ ny bala. Latsaka teny an’elakelan-trano ilay basy Maka­rov. Nogiazana niaraka tamin’ ny bala. Naterina eny anivon’ ny tranom-paty ny nofo mangatsiakan’ilay jiolahy namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: