Mitohy ny fisavana ny mpitondra moto ataon’ny mpitandro filaminana eto an-dRenivohitra. Fampanarahan-dalàna sy hisorohana ny lozam-pifamoivoizana no anton’io hetsika manokana io. Takin’izy ireo, anatin’izany, ny fanaovana aroloha sy ny fanajan’ireo mpampiasa moto ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Tsy nisy nanara-dia noho ny tsy fahampian’ny isan’ny mpitandro filaminana miasa ao Beravina ny halatr’omby nahafatesan’olona iray tao amin’ny disitrikan’i Miandrivazo, faritr’i Menabe, ny alakamisy 22 oktobra lasa teo. Niezaka nanara-dia ny fokonolona ary hita ho nentin’ ny dahalo niditra tao Marotahalaka, kaominina Sohaloka, distrikan’i Miandrivazo ireo omby ireo.
Voatazona eny amin’ny mpitandro filaminana, omaly, ilay lehilahy voalaza ho mody manofa fiara ary manova ny laharana sy mamadika azy ho antoka eny amin’ ny banky. Nokarohin’ny mpitandro filaminana miasa eto an-dRenivohitra izy sy ny vadiny taorian’ny fitarainana nataon’ireo tena tompon’ny fiara lasibatra.
Tapa-tongotra ny mpamily fiara taksiborosy tra-doza teny amin’ny RN7, PK 272+300, tao amin’ny kaominina Ivato Centre, distrikan’Ambositra, ny alin’ny talata 28 oktobra tamin’ny 9 ora. Niainga avy any Bekily hihazo an’Antananarivo ity fiara ity. Olona roa hafa naratra.





