Noho ny hetraketraka nahazo azy, miaina ao anaty tsy fahasalamana i Bekoto. Manao antso ny fianakaviany sy ny tarika Mahaleo hoenti-manampy amin’ny fitsaboana azy.
Tao anatin’ny efa-taona, niaina tsy fahasalamana i Bekoto, mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo sady anisan’ireo nanorina izany tarika izany. Raha tsiahivina, ny taona 2023, tany Antsirabe, nisy nikapoka tamin’ny hazo (bois rond) i Bekoto. Nanomboka teo no niantombohan’ny tsy fahasalamany. Nanomboka teo ihany koa no nahatonga azy ho reraka be, raha ny fanazavana sy ny fintantaran’i Dama.
Nanatanteraka antso sy fanentanana ao anaty tambajotran-tserasera ny fianakaviany ho an’ireo izay afaka manampy amin’ny fitsaboana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Marihina fa manao fitetezam-paritra any Eorôpa ny tarika Mahaleo sy ny Taranaka hatramin’ny faran’ity taona 2026 ity. « Aza avela irery any Madagasikara izy… Izao izy efa hoentinay manao fitetezam-paritra… », hoy i Dama nandritra ilay seho notanterahina ny 17 oktobra teo, tany Frantsa. Mitendry zavamaneno maro (piano sy ny gitara, mitsoka sodina) i Bekoto. Mpamoron-kira anisan’ireo nanasongadina ny tarika Mahaleo nanomboka ny taona 1972 ka hatramin’izao. Manana feo miavaka sy tononkira mivantana, maneho ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny sanganasany tsy afaka am-bavan’ny olona maro ny « Feno Anao », « Ferapara », « Lagaly », « Fasan’adala », « Zakilinina », sns.
Ny lien « Leetchi.com Cagnotte: ensemble, soutenons Bekoto Mahaleo » na ny MVola: 038 17 915 37 Rabekoto Antsa Nathan no ampiasaina raha hanome fanampiana ho azy, araka ny antso nataon’ny fianakaviany sy ny tarika Mahaleo. Mirary fahasalamana ho an’i Bekoto ny Gazety Taratra.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto





