Fampiasana ny IA : Tsy atahorana raha tsara ny fanabeazana

Ny tontolon’ny zavakanto (hira, hosodoko, sarimihetsika…) no anisan’ny nandray be indrindra ny singa sy ny fiovana hoentin’ny «intelligence artificielle» na IA. Maro ny roboka amin’ny fampiasana azy. Tsy vitsy, rahateo, ireo mihevitra fa manatsara ny efa kanto ny fampiasana ny IA. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola nisy nilaza fa: «kanto noho ny feon’i Salomon (Kin­tana Telo) ny feon’ny IA rehefa mamoaka ny Tsy sahiko».
Raha tsara ny fanabeazana omena ny olona iray, tsy atahorana ho voasongon’ny IA ny fahalalana. Beazina hiaina amin’ny voajanahary ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora. Rehefa mahalala izany izy ireny, mora ho azy ny hanavaka ny «izy» sy ny «tandra napetaka». Io no tsy ampy eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy mahafantatra ny lamina voajanahary ny tanora, hany ka nahazo laka avy hatrany ny fampiasana ny IA.
… Noho izany, mila ampidirina any anaty fandaharam-pianarana indray ny fanabeazana maha olom-banona. Tsy zava-baovao amin’ny Mala­gasy io fa efa niainany hatrany ambadik’Imanareza.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: