VAOVAO TAMBATRA

Mandeha ny asa fanarenan-dalana miainga eo Mangamila, Alakamisy Andranomadio, Andra­nomay. Nanolotra ny fitaovana vaventy ampiasaina ny faritra Analamanga, raha ny kaominina, amin’ny alalan’ ny Zanaka am-pielezana, no niantoka ny gazoala hampandehanana ireo fitaovana. Mandray anjara amin’ny asa vatana, toy ny fitaterana vato sy fasika, ny mpo­nina. Maharitra 11 andro ny asa.

Hitrandraka ny entona voajahanahary any Mahaboboka Sakaraha, ny orinasa AITEO. Misy ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana, soloin’ ny Omnis tena, ao anatin’ny Fifanarahana fitsinjarana ny vokatra (CPP). Nampahafantarina ny 27 oktobra teo, tany an-toerana, ny orinasa AITEO, niaraka tamin’ ny Fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Atsimo Andrefana.

Miisa 100 ny tantsaha misitraka masombolim-bary fototra milanja 2,5 taonina, any Amoron’i Mania. Fiaraha-miasan’ny fandaharanasa Defis sy ny Tranoben’ny tantsaha any an-toerana. Hamokatra masomboly izy ireo, ary haparitaka amin’ny mpamboly avy eo. Karazam-bary X 16 48, Nerica 4, ho an’ny vary an-tanety, ary X 265, Fofifa 173, ho an’ny vary anaty rano.

Partager sur: