Nandona fiaran’olona, nandositra mpitandro filaminana, tafaporitsaka tao anaty haizina, teny Analamahitsy, boriborintany fahadimy, ny vehivavy iray mpisoloky, ny alin’ny alarobia 28 oktobra teo, tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nokarohin’ny mpitandro filaminana ity vehivavy ity taorian’ny fitarainana nataon’ny olona niharan’ny fisolokiana nataony. Miara-manao ny teti-dratsy tamin’ny vadiny izy, araka ny loharanom-baovao. Mody ofaina ka soloina ny laharan’ny fiara ary avadika ho antoka eny amin’ny banky ilay fiara. Nitaraina teny amin’ ny polisy ny tompon’ny fiara lasibatra sy ireo olona efa nosolokin’izy mivady. Niroso tamin’ny fikarohana ny manampahefana. Voasambotra ilay rangahy ary nataon’ny polisy eo anivon’ny SUT famotorana. Tetsy ankilany, nanao vela-pandrika hisamborana an-dramatoa ny polisy. Nikasa haka ny zanany ary handositra ity vehivavy ity. Nanara-maso ny mpanampy izay nitondra ny zanak’io olona karohina io ny polisy. Nahatazana ny zanany sy ny mpanampiny teo amin’ny tobin-dasantsy Galana Analamahitsy ilay vehivavy, saingy tsy nijanona. Mailo izy ary nandositra avy hatrany niaraka tamin’ny fiara nentiny. Narahin’ny polisy tamin’ny alalan’ny moto izy. Nofaohan’ilay vehivavy anefa ny fiara teo anoloany. Nariany tsy lavitry ny toeram-panasan-damba natokana ho an’ny daholobe ny fiara nentiny. Nisitrika tany anaty elakelan-trano izy ka tsy hita. « Mitohy ny fikarohana azy », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy, io omaly io. Hita soa aman-tsara nisy nametraka teny amin’ny sisin-dalana ny fiara iray anisan’ny nogiazan’izy mivady voalaza ho mpisoloky ireto.
Tsiferana R.





