Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Bareakely niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona (Fifa U15 World Cup 2026). Resin’ny liona, La teranga Senegal izy ireo, tao amin’ny sokajy Tier B.
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Bareakely eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra, ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona na ny “Fifa U15 World Cup and Festival 2026”. Fifaninanana notanterahina tany Azerbaidjan. Omaly, resin’ny Lionakelin’ny Teranga Senegal, tamin’ny isa mazava 4 no ho 0 ny Barea ho an’ny vondrona Tier B. Nanatombo teo amin’ny haben’ny vatana sy ny halavana ry zareo senegaley. Hain’izy ireo ny nampiasa izany teny ambony kianja. Nanatombo koa teo amin’ny hazakazaka sy ny filalaovana ny baolina ambony. Vokatr’ izany, efa nitarika 2 no ho 0 izy ireo, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Niezaka nanohitra ihany ny Barea, teo amin’ny tapa-potoana faharoa, saingy tsy tafavoaka. Tsy nahavaky ny vodilaharana senegaley mihitsy ny lohalaharana malagasy. Mbola nahatafiditra baolina roa indray aza ny lionakely ka nampiitatra ny isa ho 4 no ho 0. Nitolefika tanteraka ny Barea, izay tsy afa-nanoatra intsony.
“Nanao ny heriny rehetra ny mpilalao sy ny mpanazatra, saingy iny ny vokatra. Mila manaiky isika fa misy ny firenena efa lasa lavitra amin’ny baolina kitra. Na izany aza, manamboatra foana ary miezaka manatsara ny vokatra. Betsaka ny lesona azo taty. Raha mbola mahazo sehatra dia vonona ny hanatsara fa raha ho an’ny mpanazatra hafa indray dia mitsodrano ho azy ireo”, hoy ny Coach Navalona, taorian’ny lalao. Tsy vita hatreo anefa ny lalaon’ny Barea fa mbola niatrika ny fiadiana ny laharana ka nikatroka tamin’i Slovaquie. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny zandrikely malagasy.
Tompondaka





