Nivoaka ny arabe, nifatratra tamin’ny tsena amin’ny sisin-dalana ny taksiborosy iray tao Andriba, distrikan’i Maevatanàna, omaly maraina tamin’ny 4 ora. Kaoperativa mpitatitra mampitohy an’Ambositra sy Mahajanga ity niharan-doza tampoka ity. Tsy nisy fiara nandona, voalaza ho tratran’ny torimaso fotsy ny mpamily io fiara io. Tsy voafehiny tao anatin’ny segondra vitsy, araka izany, ny familiana. Niala lalana ny fiara ary nidona tamin’ny tsena. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza. Naratra ny mpamily ary manaraka fitsaboana. Tsy nisy nahina ny ain’ireo mpandeha rehetra tao anatin’ity fiara ity. Manokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Matetika, mahatonga ny loza ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha amin’ny tokony ho izy. Ankoatra izany, fiara iray nivadika teny amin’ny Lalam-baovao Andranotapahina, omaly. Nivoaka ny arabe ary nipitika tany anaty tanimbary ny fiara marika Starex. Mila mitandrina ny mpamily hisorohana ny loza an-dalambe izay mateti-pitranga, hoy ny zandary.
Tsiferana R.





