Vao manomboka ny fialantsasatra ny olomasina sy ny fankalazana ny fetin’ny maty, efa manao ny fataony sahady ireo mpitatitra rezionaly miainga avy eto Toamasina roa samy hafa. Ho an’ny mianavatra, manaraka ny lalam-pirenena fahadimy, miainga avy ao Toamasina mihazo an’i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo sy ny lalam-pirenena faha-22A avy eo Antsikafoka ka hatrany Vavatenina. Ny tapany mianatsimo kosa dia miainga avy eo Toamasina mihazo an’i Brickaville sy ny lalam-pirenena faha-11, ho any Vatomandry sy Mahanoro. Raha ny hita tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy voalaza etsy ambony, tetsy Ambolomadinika, ho an’ireo mianatsimo dia efa saika mampiakatra ny saran-dalany avokoa izy ireo. Ohatra amin’izany, Fenoarivo Atsinanana, raha 17 000 Ar izany dia efa tafakatra 20 000 Ar. Ny mankany Vavatenina, raha 25 000 Ar teo aloha, efa tafakatra 35 000 Ar. Vokany, fantatra manoloana izany fampiakarana tsy ara-drariny izay fa hivory ny OMC, nisokatra omaly. Hametrahana paikady tsy hisian’izay fanararaotana ny fiainam-bahoaka izay.
Sajo





