Tafaverin’ny polisim-pirenena tamin’ny tompony, ny 27 oktobra 2026 teo, ny moto iray nisy nangalatra tany Betroka. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ireo andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany Tanakompania, nahafahana nahita izao vokatra izao. marihina fa nisy nangalatra ny 25 oktobra lasa teo io moto io.
Nisaotra ny Fitondrana fanavaozana ny depiote voafidy tany Mahajanga teo aloha, Nina, tamin’ny famelana azy hivoaka ny fonja hanatrika ny fandevenana an-janany. Ity farany izay matin’ny lozam-pifamoivoizana tany Maevatanàna, afakomaly. Nambarany fa tena mafy aminy ny mandao zanaka, na dia eo aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika misy amin’izao fotoana izao.
Lehilahy iray no niditra an-keriny tao an-tranon’ny renim-pianakaviana iray tao Tsaramandroso, Antsohihy, ny alin’ny alarobia hifohy alakamisy teo. Nitaky ny vola rehetra tao amin’ilay tokantrano ilay olon-datsy. Naolany ilay vehivavy rehefa tsy nahita izay notadiaviny izy. Lasa nitsoaka avy eo rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Efa manao ny fikarohana ilay olon-dratsy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Olona iray voasambotry ny polisy noho ny raharaha fifohana rongony sy ny fampiasana zava-maranitra tany Ambanja. Nahatsikaritra andian-jatovo mampiahiahy ny polisy nanao fisafoana ny alahady 24 oktobra 2026. Nandositra izy ireo raha vao nanatona ny Polisy. Raikitra ny fifanjevoana ary tovolahy iray no voasambotra.





