Fifandraisana iraisam-pirenena: Mpampianatra 63 nahazo mari-pahaizana

Mpiasam-panjakana ambo­ny miisa 63 nahazo mari-pahaizana momba ny teny frantsay ampiasaina amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben’ny Sekolim-pirenena momba ny Fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara (Enam) Androhibe, ny lanonana. Nisy ny loa-bary an-dasy mahakasika ny fanamby amin’ny fananana olom-banona miteny frantsay. Marihina fa notanterahina ny 14 septambra 2026 lasa teo ny fifanaovan-tsoina fiaraha-miasa eo amin’ny Enam sy ny ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF). Naha­fahana nanatanteraka ny fandaharanasa izany. Natokana ho an’ireo mpiasam-panjakana ambony miisa 75 sy ireo nahazo diplaoma avy ao amin’ny Enam ny tetikasa. Noto­lorana fiofanana ara-pedagojika avy amin’ny Alliance Fran­çaise d’Antana­na­rivo ny mpiofana. Izay na­haritra telo herinandro sy na­hitana 60 ora isaky ny mpandray anjara. Nifantoka tamin’ny fampiasana ny teny frantsay eo amin’ny sehatry ny fi­fandraisana iraisam-pirenena sy ny fanomanana ny fanadinana hahazoana ny Diplao­man’ny teny fran­tsay matihanina momba ny Fifandraisana iraisam-pirenena (DFP RI) izany. “Zava-dehibe ho an’ny minisitera ny fa­nomezana fiofanana ho an’ny mpiasam-panjakana, indrindra fa ny eo anivon’ny Enam toy izao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Rama­nan­­tsoa Antsivahiniriko. 71 tamin’ireo 75 voafantina tany am-piandohana no nahavita ny fiofanana hatramin’ny farany. Vehivavy ny 38 tamin’izy ireo, raha lehilahy ny 33 ambiny. Niatrika fanadinana ny 7, 8 ary 9 oktobra 2026 izy rehetra ka ny 63 no nahazo mari-pahaizana. Tanjona ta­min’ity fandaharanasa ity ny hanamafisana ny fahaiza-miteny sy ny fahaiza-mifandray ananan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny asa iraisam-pirenena. Voakasika indrindra tamin’ izany ny fiaraha-miasa, ny fifampiraharahana ary ny fifanakalozana ara-diplomatika.

Mino

Partager sur: